Actualités

Fampandrian-tany Nandefasana Emmo-Nat any Antsiranana


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Miaramila roa kamiao no tonga any Antsiranana efa hatramin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Mitoby ao amin’ny Tranobozaka, tobin’ny zandary, izy ireo. Nanaitra ny mponina tany an-toerana ihany ny fahatongavan’izy ireo tampoka, nefa maro koa ny velom-panantenana fa mba ho tony indray izany ny tanàna amin’ny herisetra ataon’ny FOROS sy ny asan-jiolahy.

Tsy mifidy hasiana tokoa mantsy ireo andian-jatovo mivondrona ao anatin’ny fikambanana zaza maditra ity, fa lasibatra avokoa na Malagasy zanatany indrindra moa fa vahiny sy ny vazaha.

Fony mbola lehiben’ny Faritra DIANA, Rtoa Manatsara Anjara, dia nisy hetsika lehibe fampandrian-tany nifandrimbonan’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana sy ny EMMO-NAT, niafara tamin’ny fisamborana zaza maditra. Tafakatra dimampolo tany no indray voasambotra ary dia nandefasana fiaramanidina manokana mihitsy tamin’izay nampakarana azy ireo taty Antananarivo harenina. Ny sasany nalefa teny Anjanamasina, toby fanarenana ny zaza maditra, ny hafa notanana tao Ambatolampy. Tany ihany koa no nitsarana ireo noheverina fa nahavita fandikan-dalàna tsy azo noleferina. Fanakianana mavaivay anefa no nataon’ny mpanao politika tao Antsiranana mikasika io fepetra noraisin’ny governemanta io. Nisy mihitsy aza ny fihetsiketsehan’ny ray aman-drenin’ireo zaza maditra voasambotra ary nakarina taty an-drenivohitra ireo. Tao ambadik’izany ry Patrick Monibou, filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sy ny lehiben’ny faritra DIANA ankehitriny, Bezara Romuald. Nambara tamin’izany fa “managadragadra olona fahatany ny fitondrana Ravalomanana”. Tsy namelan’izy ireo raha tsy tafaverina tany Antsiranana ireo FOROS ireo.
 
Rehefa nisy iny fanonganam-panjakana ny taona 2009 iny dia samy nahazo toerana avokoa ireo mpitarika tamin’izany, dia anisan’izany iretsy voalaza etsy aloha iretsy. Nihevitra koa ny maro fa ho fongotra ny FOROS rehefa izy ireo no mitondra. Ny mifanohitra amin’izany anefa no mitranga. Raha nenjehina ho mpanagadra olona fahatany ny fitondrana Ravalomanana, vao mainka anefa avo telo heny noho ny nitranga tamin’izany no misy ankehitriny. Tsy voafehy ny FOROS, fa vao niha nahery vaika, na dia miezaka ny manarontsarona izany aza ireo olon’ny FAT ireo. Raha nivahiny tao amin’ny radio Fagniry Antsiranana, ohatra, i Patrick Monibou, talohan’ny 26 jona ireny dia nilaza fa “tsy misy zaza maditra izany eto Diego (Antsiranana)”, izay toy ny teny natao mba hampamitsapitsaka ireo FOROS mba tsy hanamaloka ny fankalazana ny faha-50 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena. Mbola tantara mitohy anefa izy ity ao Antsiranana ao. Mahatsapa ny mponina, fa misy mikolokolo ireo FOROS ireo.
 
Ny zoma lasa iny, raha niakatra tribonaly ireo FOROS nanafika ny sekoly Coquelicot ny jona 2010, dia misy manao “intervention”. Talohan’ny 26 jona no efa nanomboka nandeha ny resaka fa hisy miaramila ho avy hampandry tany. Midika izany fa tsy voafehin’ny Emmo-Reg intsony ny raharaha matoa hampiana tosika. Nikoropaka ny tao amin’ny Faritra. Rafitra nanenjika FOROS hatramin’ny Lehiben’ny Faritra, toy ny nitranga nandritra ny fotoana Dinika Santatra ireny. Nisy ny fampitaovana fiara hiasan’ny polisy. Nisy famoriana ray aman-dreny sy izay rehetra voakasiky ny fanabeazana ny tanora roa volana lasa izay. Ny fepetra noraisina tamin’izay, toy ny tsy fanirahana zaza hividy sigara sy toaka.
 
Ny zava-misy dia mamitsaka ny FOROS hatramin’ny niandohan’ny ramadany. Fantatra hatramin’ny toerana ivavahan’izy ireo. Ao anatin’izay fotoana mampamitsaka azy ireo izany anefa no tonga any Antsiranana ny Emmo-Nat. Etsy andaniny, dia loharanom-baovao hafa, no milaza fa misy iraka manatona ireto FOROS ireto, milaza amin’izy ireo mba hilamindamina sy hamitsaka aloha. Ka eo no mipetraka ny fanontaniana raha ho araka izay andrasana ny vokatra ho azon’ireto mpampandry tany ireto.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT