Actualitテゥs

Fampandrian-tany Mpiasan地y ォJustice et paixサ efatra any am-ponja


  • Zoma 10 Septambra 2010

Nahitam-pahombiazana ny fampandrian-tany natao tany amin地y faritra atsimo nanomboka ny 20 aogositra 2010 ka hatramin地y 08 septambra 2010 teo amin地y faritra ifanilan地y kaompanian地y zandarimariam-pirenena Betroka, Ampanihy andrefana, Toliary, Ankazoabo sud, Sakaraha ary Ihosy izay notarihin地y Lietn� kolonely Reribaky Jeannot, komandin地y vondron-tobim-pileovana Ihorombe sy ny kaomand� Ranaivoarison Th駮dule, Komandin地y vondron-tobim-paritry (Kaompania) ny zandarimariam-pirenena Ihosy.

Vokany, dahalo 11 no voasambotra ka ny 04 izay mpiasan’ny «Justice et paix» miasa ao Maliarivo Ambatolahy dia efa naiditra am-ponja vonjimaika. Telo hafa kosa no maty, taorian’ny fifandonana tamin'ny zandary dia i Naivo, izay efa nokarohina fatratra tamin’ny taona 2007 raha nangalatra omby miisa 170 tao amin’ny distrikan’i Beroroha. Nisy mpanara-dia sivy maty tamin’izany. Lavon’ny zandary koa i Victor, dahalo raindahiny efa nitsoaka rehefa avy nangalatra omby 23 tao amin’ny Kaominina Mahasoa Distrikan’i Ihosy. Toraka izany koa i Maitso Bagna, tratra teo am-pangalarana omby telo izay an’olona mipetraka eo Mahasolo.

Miisa 500 ny omby nohamarinina ka ny 80 tamin’ireo tsy ara-dalàna ka notazomina eny amin’ny Kaominina. Ny tompon’ireo omby ireo moa dia efa nalefa eny amin’ny Fampanoavana. Basim-borona miisa 73 no nanaovana famotorana ka ny roa tamin’izany no notazonina, ny iray very avy any Bekily ka tratra tany Ihosy. Marihina fa 55 ireo zandary nandray anjara tamin’ny ity fampandrian-tany ity ka efatra ny manamboninahitra. Tafiditra indrindra amin’ny lamin’asan’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny ity taona 2010 ity moa izao fampandrian-tany izao ary mbola maro ny hotanterahina manaraka mba hiarovana ny ain’olona sy ny fananany.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan窶冢y
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT