Actualités

Fampanambadiana ny zaza tsy ampy taona Mamolavola paikady hiadiana aminy ny ministeran’ny mponina


  • Talata 21 Novambra 2017

Mahatratra 41,2% ny tahan’ireo ankizy tsy ampy taona efa miroso amin’ny fanambadiana manerana ny Nosy ankehitriny.

  Eo anelanelan’ny 11-15 taona ireo zazavavy kely lasibatra, 14-17 taona kosa ireo zazalahy.  Tena misy  akony ratsy eo amin’ny tontolon’ny fivoaran’ny zaza tsy ampy taona anefa io tranga io  amin’ny ankapobeny sady tsy hahafahan’ny fiarahamonina mivoatra ihany koa. Antony nanosika  minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy hamolavola drafitra nasionaly miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Manodidina  29 miliara sy 430 tapitrisa  Ar ny vola natokana ho amin’izany  hatramin’ny taona 2024. Tontosa omaly alatsinainy ny atrikasa nankatoavana io drafitra vaovao io, tohanan’ny UNICEF. Tanjona  ny hahafahana mampihena ny tahan’ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona eto amintsika, indrindra fa ny any amin’ny faritra. Marihina fa niainga tamin’ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony nijerena ny zava-misy isam-paritra, indrindra ny firesahana tamin’ireo ankizy lasibatry ny fanambadiana aloha loatra sy ireo lalàna iraisam-pirenena ary ireo lalàna anatiny no nandrafetana ity drafitra  nasionaly ity. Olona 4.000 avy amin’ny faritra enina no voakasiky ny fanadihadiana tamin’ny ankapobeny.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT