Manana andraikitra goavana eo anivon’ny fiarahamonina ny sehatry ny fampahalalam-baovao.
Adidiny voalohany ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena tsy hiraviravy tanana manoloana ny raharaham-pirenena. Fitaovana fanamafisana ny fototry ny demokrasia ny asa fanaovan-gazety ary mpisehatra lehibe hisian’ny fitantana mahomby ihany koa ny mpikirakira vaovao. Olana manokana ho an’ny firenena Malagasy hatramin’izao anefa ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny serasera eto Madagasikara. Miandry ny fankatoavan’ny fahefana mpanatanteraka ilay tetikasa «Media for change» hanampiana ny tontolon’ny fampahalalam-baovao Malagasy moa ankehitriny ny governemanta amerikanina. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ity sehatra ity ihany koa ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ilay «Initiative Citoyenne pour la Consolidation de la Paix, Leadership et Stabilité». Tafiditra amin’izany ny atrikasam-pirenena momba ny fikirakiram-baovao mandritra ny roa andro eny Ankorondrano.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.