Actualités

Famotsiam-bola Nitombo nandritra ny krizy 2009-2010


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010

Nanofana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa aminy, eo anivon’ny sehatra ara-bola sy mpitandro ny filaminana ary ny talen’ny tontolo iainana sy harena ambanin’ny tany, ny ekipan’ny SAMIFIN Toamasina izay notarihan’ny Tale jeneraliny, Razaranaina.

Nandritra ny roa andro ny fanofanana natao, ny alakamisy sy ny zoma hariva teo. Mikasika ny «fombafomba entina momba ny ady atao amin’ny famotsiam-bola», no nanofanana azy 31 mianadahy.Ny taona 2008 no nisian’ny fanazavana nataon’ny Samifin voalohany tao Toamasina, dia izao tonga amin’ny fanofanana izao, noho i Toamasina kapitaly ara-toekarena eto amintsika, ka hiasana vola maro.

Efa mahatratra 82 ny taratasy fanahiana (DOS : déclaration d’opération suspecte) voarain’ny SAMIFIN, izay hiarahany amin’ireo sehatra ara-bola sy mpiara-miasa ary ireo mpiara-miombona antoka aminy ny volana janoary hatramin’ny volana oktobra teo. Ity DOS ity mantsy no fanombohan’ny fanadihadiana nataon’ny SAMIFIN, ka hisian’ny fanaraha-maso ataony amin’ireo kaonty sy vola mety mampiahiahy fa famotsiam-bola maloto. Nanomboka ny taona 2008 tena niasan’ny Samifin dia 23 ny DOS voarainy, niakatra ho 54 izany nandritra ny krizy 2009 ; ary io tafakatra 82 io ny faharoa taonan’ny krizy, ka ny resaka “bois de rose” sy ny harena ambanin’ny tany ary ny «Casino» avokoa ny ankamaroany.
 
Nandritra izay telo taona izay amin’ny fahasarotana amin’ny fanadihadiana eny anivon’ny fitsarana, dia 32 ny antontan-taratasy efa nalefa teny amin’izy ireo, saingy mbola vao tokana ny voatsara sy namoahana didy. Nahatratra 35 kosa ny kaonty nogiazana nanaovana fanadihadiana, ka 12 ny taona 2008 ary tafakatra 23 izany ny taona 2009. Izay vola avy any Azia avokoa no loharanon’ny maro aminy. Heloka fototra mahatonga ny famotsiam-bola sy fahazoana vola tsy mazava mantsy ny resaka hetra, ny fadin-tseranana, ny fitrandrahana ala, ny harena ambanin’ny tany ary ny fanakolazam-bola izay mazàna an-tsisin-dalana no fanaovana azy eto amintsika. Izay no hisiana fivoriana goavana karakarain’ny SAMIFIN ny 14 sy ny 15 desambra ho avy izao eto Antananarivo.
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT