Actualités

Famosaviana ny Malagasy Vary simba 2310 gony tratra tany Toamasina


  • Zoma 08 Desambra 2017

Famosaviana tsotra izao ! Vary nohafarana avy any Pakistan an’arivony gony no tratra tany Toamasina omaly. Vary lo izy ireo. Teratany Pakistaney no fantatra fa tompony. Tsy mitsahatra midina ifotony noho ny baikon’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana taorian’ny fandalovany tany Toamasina ireo ekipan’ny “task force” Toamasina, izay ahitana ny talem-paritry ny varotra sy ny talem-paritry ny fitaterana ary ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana.

Nandritry ny fidinana ifotony nataon’izy ireo tao amina magazay misy ny orinasa “Moto Commodities” sy ny “White Rice” ana teratany pakistaney mpandraharaha ara-bary ao Toamasina no nahatrarana ambodiomby ireo mpiasa nirahin’ny lehibeny namindra ao anaty gony hafa indray ireo vary efa lo sy simba nogiazan’ny fanjakana, izay kasain’izy ireo hamidy eny an-tsena hohanin’ny Malagasy. Tena famosaviana tsotra izao no ataon’ireto orinasa roa ireto. Tsy vitan’ny efa nandika lalàna tamin’ny fakana ireo vary nogiazana fa mbola mampiasa gonim-bary tsy ampy lanja ihany koa”, hoy ny komitin’ny “task force” Toamasina. Miisa 2.310 ireto gonim-bary ireto. Tsy ny vary intsony no nogiazana omaly alakamisy antoandro fa ny magazay manontolo mihitsy, na mbola misy vary 6.834 kitapo mbola tsara azo amidy aza ao anatiny. Omaly ihany, araka ny angom-baovao natao, dia efa misy olom-panjakana ambony miditra ho mpanelanelana amin’ity raharaha ity. Efa manao ny fanadihadiany ny zandary. Ao anatin’ny fotoana maha lafo ny vary no misy mpanararaotra manao zavatra mamoafady tahaka izao. Miandry ny tohin’ny fanadihadiana ny rehetra ary manantena fa tsy ho afa-bela ireo tompon’andraikitra. Ny mampatahotra dia sao  efa nisy vary simba mifangaro amin’ny vary hita eny an-tsena. Manana paikady hiadiana matotra hisorohana ny loza mety ho aterak’izany ve ny fitondram-panjakana ?

 

 

Malala Didierfana taorian'ZANA TANATY MAGAZAY

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT