Nanolotra vola 1,5 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara mba hamonoana valala ny fanjakana Amerikanina. Omaly no nampahafantaran’Atoa Robert T Yamate teny Iavoloha nandritra ny fihaonany tamin’ny filoham-pirenena izany. Efa nanolotra vola 3 tapitrisa dolara moa tamin’ny 2012 ry zareo Amerikanina mba hamonoana ireo andiam-balala manomboka miparitaka amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Manohana hatrany ny ezaky ny governemanta amin’ny famonoana valala izahay, hoy ny masoivoho Amerikanina ka tanjona amin’ity taona ity ny hamonjena velaran-tanimboly hatramin’ny 800 000 ha. Fa io omaly io ihany koa no nandraisan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha ny delegasionina mafonja nahitana mpandraharaha Amerikanina notarihan’i Paul Hinks. Avy amin’ny sehatry ny fitantanam-bola iraisam-pirenena, famokarana sy fizarana herinaratra, fanamboarana fotodrafitrasa, ny resaka agro-business ireto mpandraharaha ireto, ka tanjon’ny fihaonana ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.