Actualités

Famonoana tovovavy tany Ambositra Mampiahiahy ny SMS tao anaty findainy


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Manomboka ahitana mangirana amin’izao ny raharaha famonoana an-dRafitoharimaka Rosalie, ilay tovovavy hita faty tao amin’ny hotely Violetta tao Ambositra ny marainan’ny 23 novambra lasa teo.

Ny sabotsy teo no natao ny fandevenana azy. Mifantoka amin’ny fanadihadiana ireo hafatra fohy na “SMS” tao amin’ny findainy ny fanadihadian’ny zandary ankehitriny. Tsy very mantsy ny finday sy ny solosaina entin-tanany. Nisy SMS nampiahiahy tao anatin’ny findainy, toy ny fanontaniana napetraky ny olona ahiana ho tao ambadiky ny famonoana mikasika ny mombamomba ny hotely na ny “plan” sy ny hoe misy “caméra de surveillance” sa tsia ao amin’ilay hotely. Tombanana ho fikotrehana ny fanamorana ny famonoana azy izany. Tsiahivina fa niasa nanao mpandray olona na “receptionniste” tao amin’ilay hotely io tovovavy io, izay vao 24 taona monja. Efa feno dian’antsy am-polony ny razana hita tao amin’ny efitra nitoerany. Tsy mponina any an-toerana izy fa nanao asa fanao amin’ny fialan-tsasatra na “travail de vacance”. Olona akaiky sy mety efa nanana fifandraisana aminy no ahiahiana raha tena fikatsahana ny famonoana azy tokoa ny anton’ilay hafatra tao anaty “SMS”, saingy ny fanadihadian’ny zandarimaria no hamaritra ny tena marina momba ity vono olona mahatsiravina ity sy ny antony nahatonga izany. Miandry ny tohin’ny raharaha ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT