Actualités

FAMONOANA NY ZANAK’I HERY BUISSON Nomena fahafahana vonjimaika ireo nahavanon-doza


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Hatezerana ny an’ireo fianakavian’i Hery Buisson mpanakanto avy ao Mahajanga raha nahare fa nahazo fahafahana vonjimaika ireo dimy mianaka namono ny zanany tamin’ny fomba feno habibiana ny volana desambra 2013 teo.

 

 

 Raha ny fandehan’ny tantara, noho ny disadisa teo amin’ny samy mpiray tanàna no antony nahatonga ny fakana an-keriny ary niafara tamin’ny famonoana an’io zazalahy kely 8 taona io. Niteraka resabe tao an-toerana ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity. Nahatohina ny maro ny fahitana io zaza maty io tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Nahavariana anefa ny didy nivoaka satria tsy tokony hahazo izany ireo dimy mianaka voarohirohy. Sanganehana ny mponina, nihena ihany koa ny fitokisan’ny vahoaka an’ireo mpitsara mpamoaka didy. Tsy tamin’ity raharahan’i Hery Buisson ity ihany fa efa maro ireo raharaha izay nandalo tao ka nifanohitra avokoa ny didy nivoaka.    

                                                                                                                               Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT