Misoko mangina toy ny ron-gisa ny fanadihadiana ataon’ny zandarimariam-pirenena mikasika ny namono nahafaty ny kapiteny Falihery Andriantiana, komandin’ny kaompanian’ny zandary tao Betroka, roa volana lasa izay.
Nosamborina afak’omaly ny adjida sefo Casmir izay anisan’ny efa nohenoin’ny Fampanoavana tamin’ity raharaha ity. Omaly ihany dia nentina any Toliara ny tenany mba hanaovana ny tohin’ny famotorana rehefa avy nampidirina «Chambre de sureté» in-dray alina tao Betroka. Raharaha roa no mahakasika ny adjida sefo Casmir dia ny fanadihadiana momba ny nahafaty ny kapiteny Falihery Andriantiana fa eo ihany koa ny nanaovany tsinontsinona ny famindran-toerana natao azy tokony ho any Toliara taorian’ireny raharaha kapiteny Falihery ireny ka anisan’ny nisamborana azy ihany koa izay naha dezertera azy izay araka ny fanazavana azo. Marihina hatrany koa anefa fa mbola mitohy ny fanadihadiana momba ny raharaha kapiteny Falihery Andriantiana fa tsy mbola nisy olona nomelohin’ny fitsarana tsy akory. Mikasika ny adjida Tsiliva kosa indray izay nafindra toerana eto Antananarivo dia efa miasa eto ny tenany ankehitriny no sady miandry ny fiantsoan’ny fitsarana ihany koa raha toa misy ny ilana azy. Tsiahivina fa havana akaiky ny solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas ity adjida sefo Casmir ity. Manambara ve izany fa tena efa mifampiandry kendry tohana ny Antenimieram-pirenena sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra tao aorian’iny raharahan’ny solombavambahoaka Mara Niarisy izay voafidy tany Ankazoabo Atsimo iny ? Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, jeneraly Paza Didier, rahateo efa nilaza fa tsy manaiky intsony ny hataon’ny olom-panjakana sivily fitaovana politika lava izao ka izy ireo indray no te hibaiko izay fomba tokony hitantanana ny fianakaviamben’ny zandarimaria.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.