Actualités

Famonoana mpianatra tao Antsiranana Ahiana ho faty momoka iny raharaha iny


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Mihisatra ny fanadihadiana manodidina ilay daroka nataon’ny Polisin’ny FIP (Force d’Intervention de la Police) ao Antsiranana ka nahafaty an’i Olivier Ninjaka, mpianatry ny oniversiten’Antsiranana, taona voalohany amin’ny lalam-piofanana fizika ny 27 aprily lasa teo.

Raha efa tapitra nalaina am-bavany ireo heverina fa voakasika mivantana tamin’iny raharaha iny, izay niandoha tamin’ny fitakiana vatsimpianarana, dia nidofotra kosa izany raha tokony hohenoina sy halaina am-bavany ny Lehiben’ny Faritra DIANA sy ny lehiben’ny Distrikan’Antsiranana I, fa toa manda ny hohadihadiana ireto farany, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nisy iraka avy eto Antananarivo nalefa nanao fanadihadiana manodidina iny raharaha iny, ary mitady hitsoaka an-daharana ity farany eo anatrehan’izany. Ny Minisitry ny fampianarana ambony Tongavelo Athanase anefa nampanantena fa tsy haharitra ela fa ny fiandohan’ity volana ity ihany dia ho fantatra ny marina sy ny tompon’andraikitra tamin’iny famonoana mpianatra sy fandratrana olona enina hafa nitranga ny talata 28 aprily, andro handefasana ny vatana mangatsiakan’i Olivier Ninjaka ho any Antalaha tanàna fiaviany iny. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT