Telo volana mahery izay no nikarohana an’i Faby tovolahy 21 taona izay fantatra fa namono zaza lahy kely 11 taona tao amin’ny fokontany Mahavoky Avaratra ny 10 desambra 2014 . Raha tsiahivina, novonoina ilay zaza noho ny disadisa nisy teo amin’ilay reniny ny nahavanon-doza
. Nokendaina ka natao tao anatin’ny sakaosy ary nariana teny amin’ny sisin-dalana tao Mahavoky-Avaratra ny razana avy eo. Nandositra i Faby avy eo ka nandeha ny fikarohana azy. Nihetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana, naparitaka tamina faritra maro ny mombamomba ity tovolahy namono olona. Fotoana maro no nanaovana ny fikarohana niainga avy tao Mahajanga nandalo tao Nosy-be ka tao Bealanana Avaratra no nahatrarana azy. Olona tsara sitrapo no nanome ny loharanom-baovao ny zandary tao amin’ny toerana nahitana an’i Faby ka nanao ny paikady rehetra ahafahana misambotra ity nahavanon-doza. Tao an-tranony no nosamborina izy ny sabotsy teo, teo am-panamboarana ny entany izay saika hiala an’i Bealanana. Niaiky ny helony ity nahavanon-doza ity raha natao ny famotorana ary nentina niakatra tany Mahajanga. Tsy nisy olana, hoy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena tao Bealanana Raharisoniaina Jean Andriamanjato tamin’ny fotoana nisamborana azy satria dia tsy nampoiziny ny fahatongavan’ny zandary tao an-tranony. Raha nahare ny vaovao anefa ny vahoaka tao Mahajanga dia nisy nikasa hanao fitsaram-bahoaka ary tonga sy nitaky izany teo anoloan’ny biraon’ny zandary tao Mahajanga ny talata teo. Notazonina tao amin’ny zandarimariam-pirenena ilay nahavanon-doza. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana hatrany anefa dia hatolotra ny fitsarana i Faby ary ho fantatra eo ny tohin’ny tantara.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.