Actualités

Famonoana ankitsirano Dahalo roa natao «au poteau» avy eo nodorana


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Tsiravina izay nahita ! Lehilahy roa, voatondro fa dahalo no maty notifirin’ny miaramila mpampandry tany ao anatin’ny hetsika «Fahalemana» tany Ihosy.

 

 Nafatotr’izy ireo natao «au poteau» izy roalahy ary notifirina ankitsirano, avy eo dia nodorana tamin’ny kodiarana. Teo amin’ny seranam-piaramanidina, 4km miala ny tanànan’Ihosy no nanatanterahan’izy ireo izany ny tolakandron’ny alakamisy teo. Kila forehitra lasa lavenona izy roalahy ireo.

Niely be ny feo io andron’ny alakamisy io fa tafihan’andian-dahalo 80 lany ny ao Tolomiady, Kaominina any amin’ny 5km miala an’Ihosy. Tsaho fotsiny ihany anefa io fa tsy voamarina ny fisiany. Ireto roalahy ireto indray dia voasambotry ny miaramila nandritra ny fifandonana tany an-tampon’Ihorombe tany. Ireo no niharan’ny rihitra sy famonoana ankitsirano tsy nandalo Fitsarana, mba hampitony ny hatezeram-bahoaka satria mila vokatra (?). Naneho tsy fankasitrahana io famonoana ankitsirano io ny Katolika tao Ihosy omaly.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT