Voasambotra tany Nosy be Hell Ville ny sabotsy vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 2 ora maraina ny lehilahy iray antsoina hoe Solomanjary Francesco.
Voarohirohy tamin’ny famonoana mivantana ny Minisitra teo aloha Tsiandopy Jacky Mahafaly ny tenany ary isan’ny fianakaviany akaikin’ity tompon’andraikitra ambony teo aloha ity ihany satria zanaky ny mpiray tampo aminy. Efa nokarohina izy raha vao niseho ny famonoana, saingy tafaporitsaka, ka io sarona tany Nosy Be Helle Ville io vao . Heverina ho nandositra izany ity tovolahy ity matoa tany amin’ity Nosy kely ity vao hita, ary mety ho fanalahidin’ny marina rehetra momba ny antony namonoana an’I Tsiandopy Jacky. Tsiahivina fa ny alin’ny 30 jolay teo no namonoana azy tao an-tranony teny Ivato, ka isan’ny very tamin’izany ny solosaina fampiasany, ny firavaka, ny vata fitoeram-bola,… Mampametra-panotaniana kosa hoe resaka halatra tsotra ve no namonoana azy sa mba hoenti-manakona ny mety ho ambadika politika no nakana ireo zavatra ireo? Sa kosa resaka fifampialonana teo amin’ny mpianakavy matoa tafiditra ao anatin’ny raharaha ity fianakaviany akaiky ity? Olona manana ny maha izy azy ny tenany ary saro-pady ny asana “Inspecteur d’Etats” niantsorohany, ka mifamahofaho tanteraka ny raharaha. Petra-kevitra mantsy ny fisian’ny ambadika politika tamin’ny famonoana azy satria isan’ny olona azo heverina ho mahalala afera maloto maro ny tenany, ary voalaza fa efa saika hotendrena ho tompon’andraikitra ambony momba ny fanaraha-maso ara-bola teo anivon’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola, ka ahiana isan’ny antony nifofoana ny ainy izany. Azo heverina araka izany hoe mba hamiliana ny sain’ny rehetra hihevitra fa asan-jiolahy tsotra no nakana ny fitaovana sy ny vola tao an-tranony. Ny fanadihadiana lalina no hahitana ny marina, saingy mety hivoaka ve izay tena marina izay sa ho toy ny raharaha Ratsimandrava sy ireo raharaha goavana hafa efa nisy teto amin’ny firenena ity indray mitoraka ity, ka ho very an-javony hatrany?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.