Actualités

Famonoana an’i Nambinina teny Anjanahary Tsy mbola nahitana mangirana hatreto


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Tsy mbola nahitana mangirana hatreto ny nahafatesan’i Nambinina, ilay styliste nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana teny Anjanahary. Mahatsiaro ho banga tanteraka ireo fianakaviany, ny namany akaiky ary ny asany noho izany

 

antony izany no nanosika azy ireo   hanatanteraka diabe fotsy ho azy. Teny Anjanahary no nanaovan’izy ireo izany ny sabotsy lasa teo, tao anatin’ny firaisankina tanteraka. Niakanjo fotsy avokoa izy ireo, niaraka tamina taratasy fotsy teny amin’ny tratrany misy sarina baraingo mainty. Baraingo izay milaza fa efa iray volana izao no nahalasanan’i Nambinina saingy tsy mbola tratra ihany ireo namono azy. Tsy mbola misy ihany koa hatreto ny voasambotra raha nanamafy kosa ny mpitandro ny filaminana fa efa miasa mafy. Mbola fanontaniana mipetraka hatrany ny hoe : iza loatra no nahavanon-doza namono an’i Nambinina ? Inona no antony ? Satria nahoana ? Mbola tantara mitohy, araka izany, ny mikasika ity raharaha ity.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT