Ambetin-dresaky ny ankamaroan’ny mpampianatra sy mpanara-baovao ao Amoron’i Mania amin’izao fotoana izao ny mety ho fitohizany na tsia ny fitokonan’ireo mpanabe mpiasam-panjakana any an-toerana.
Taorian’ireny fidinan’ny Pr Manoro Régis, minisitry ny fanabeazam-pirenena, tany Amoron’i Mania ireny dia Lehiben’n’ny Cisco roa amin’ny efatra no vaovao dia ny tao Fandriana sy Manandriana. Atoa Randranto Rija no voatendry ho lehiben’ny Cisco ao Fandrina. Tsy mbola nitokona nandritra ireny grevin’ny mpampianatra ireny ny tenany ka nahazo toerana. Nandritra ny fandalovan’ny Minisitra tany Manandriana vao niely ny feo rehefa voatendry ho Lehiben’ny Cisco tao an-toerana Atoa Ramiandrisoa Tsaramahefa Daniel Filohan’ny SEMPAMA Amoron’i Mania fa homena toerana avokoa ireo mpitarika SEMPAMA rehetra isaky ny Distrika. Marihana fa efa mpitarika ny SEMPAMA tao Ambatofinandrahana ihany koa ny Lehiben’ny Cisco ao amin’izao fotoana izao. Efa nambaran’ny minisitra fa ireo Lehiben’ny Cisco nametra-pialana ihany no nosoloina fa tsy mbola voakitika ny sisa.
Hatramin’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Amoron’i Mania ankehitriny no efa mandeha ny feo fa hosoloina mpitarika ny SEMPAMA ihany koa. Maro, araka izany, ireo mpampianatra nanontaniana no nilaza fa tena miezaka mamono afo amin’ny tsy hisian’ny grevy intsony ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ka omena toerana avokoa ireo mpitarika dia ho foana ny fitakian’ny mpampianatra. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy mpampianatra nanohy ny fitokonany intsony fa miandry izay mety mbola hisian’ny fanendrena tompon’andraikitry ny fampianarana hafa araka ny nambaran’ny mpampianatra iray tao Ambositra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.