Actualités

Famonoam-balala andiany faharoa Tsy ampy 6,1 tapitrisa dolara ny tetibola


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015

Hifarana amin’ity volana martsa 2015 ity ny dingana famonoam-balala andiany faharoa ao anatin’ny programa mitohy maharitra telo taona. Tsy mbola ampy 6,1 tapitrisa dolara anefa hatreto ny famatsiam-bola azy io

 

. Ho faty momoka ireo ezaka natomboka tamin’ny taona 2013 raha tsy voahaja io fe-potoana io ka hiteraka ny firongatr’ireo andiam-balala mpanimba voly vaovao indray eto Madagasikara. Tandindomin-doza ny firoborobon’ny tontolo ambanivohitra amin’ny ankapobeny sy filaminan-tsakafo manokana toy ireo fandaharanasa fanohanana ny tantsaha.

Andian-kijeja

Tsikaritra tamin’iny faran’ny herinandro iny ny fisian’ny karazana andian-kijeja ao Tsiroanomandidy izay mikisaka miatsinanana. Efa nanomboka moa ny fitsirihana ana habakabaka notanterahan’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena namaritana mazava ny toerana misy ireo andian-jana-balala ireo tao amin’ny faritra Bongolava. Hitohy amin’ny fandrarahana fanafody avy hatrany ny hetsika avy eo.

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Angindimby misahana ny fitsirihana andiam-balala, Karazam-balala mpanimba voly eto Madagasikara

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT