Actualités

Famokarana herinaratra Mila vina mazava avy amin’ny mpitondra


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

15% ny tahan’ny fanjifana herinaratra manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny salan’isa tena ambany io mihoatra amin’ireo firenena aty amin’ny faritra Afrika tapany atsimon’i Sahara. 57% mantsy izany ao Sénégal ary 80% ao Afrika Atsimo

. Olana efa niainan’ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny folo taona mahery ny delestazy vokatry ny tsy fahampian’ny herinaratra vokarin’ny orinasa Jirama. Vahaolana noraisin’ny fitondrana nifandimby ny fanampiana ara-bola ity orinasam-panjakana ity izay nandaniana miliara maromaro saingy tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao. Fahadisoana iray lehibe ho an’ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ohatra, ny mbola nanendrena mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy izay mifanohitra amin’ny andininy faha-18-n’ny lalàna 2014-014 mamaritra ireo orinasam-barotra ahitana ny fanjakana, araka ny hevitry ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena. Efa misy rahateo ireo soso-kevitra mikasika ny tolotra sy ny tinady naroson’ny «Vondrona mpandinika ny angovo» izay tokony hohalalinin’ny fanjakana. Eo ihany koa ny politika Malagasy mamaritra ny angovo tamin’ny taona 2005 izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny fanavaozana azy. Miankina betsaka amin’ny fananan’ny mpitondra vina mazava momba ny famokarana herinaratra miainga amin’ireo zava-misy iainan’ny mponina andavanandro ihany anefa no tena vahaolana maharitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

Hijery ny tohiny
FTT