Actualités

Famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro 10 tapitrisa Euros isan-taona no tadiavina


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Mbola misy amin’ireo faritra sasany eto an-drenivohitra amin’izao no miaina matetika anaty fahatapahan-jiro na ny delestazy.

 

Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia  nambaran’ny minisitry ny angovo Horace Gatien fa tsy tokony hisy intsony izany. Efa nisy ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana, hoy izy izay mbola hitohy hatrany. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro sy ny rivotra ary ny rano, antony nisian’ilay atrikasa niarahany tamin’ireo karazana ong sy mpamatsy vola tetsy Antaninarenina omaly. Voakasika manokana ireo tsy manana herinaratra toy ny any ambanivohitra izay vao 5 %-n’ny mponina no mahazo. Ezahina hiakatra hatrany amin’ny 6 % ireo mpahazo tombontsoa  mandrapahatongan’ny faran’ny taona, araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany  izay ezahina hahatratra hatrany amin’ny 10 % mandrapahatongan’ny taona 2020. Ny ong gret no hiaraka hisalahy amin’ny fanjakana amin’ny fanatontosana ny asa izay mila vola 10 tapitrisa Euros isan-taona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT