Actualités

Famoahana sary mampivarahontsana Nampitandrina ny minisitry ny serasera


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Taorian’ny fanambarana ofisialy navoaky ny ministera ny alatsinainy lasa teo dia mbola nampatsiahy indray omaly alarobia ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Harry Laurent Rahajason fa tsy fanao ny mamoaka sary mamoafady na mampivarahontsana amin’ny fahitalavitra sy ny gazety an-tsoratra

.Misy ny fepetra sy fomba amam-panao tsy maintsy hajaina, hoy izy fa fampatsiahivana aloha no ataon’ny ministera amin’izao fotoana.Mety hanakorontana ny sain’ny olona ny sary mamoafady sy feno herisetra araka ny filazany ka tokony mba tonga saina ny mpanao gazety sy ireo orinansan-tserasera ka hanarana ny ara-dalàna.Naisiany tsindrim-peo manokana ihany koa ny zava-doza mety ateraky ny tambatzotra sosialy tahaka ny facebook, izay hita hoy ny minisitry ny serasera fa tena tsy voafehin’ny Malagasy maro ny fampiasana azy.Aoka ny tsirairay hitandrina hatrany ihany koa amin’ny zavatra ambara sy ny mety fanaparitahana vaovao tsy marina  fa voasazin’ny lalàna izany hoy izy.Farany nanamafy ny minisitra Harry Laurent Rahajason fa malalaka ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ary tsy mbola nisy tamin’ity fitondrana ity mpanao gazety norahonan’ny fitondram-panjakana; ny fahalalahana anefa tsy midika hoe gaboraraka ka samy mahazo manao izay tiany, hoy izy.Mazava tsara ny fanambarana saingy adinon’ingahy minisitra angamba fa misy ireo milaza ho mpamakafaka politika sy mpanao fanadihadiana amin’ny haino aman-jery akaikin’ny fitondrana no manaratsy olona isan’andro, misy efa kely sisa dia hanompa mihitsy aza.Misy ihany koa ny mamorona atsanga tsy aman’orana tsotra izao mba hanasoketana ireo manohitra na tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana; sa rehefa akaikin’ny fitondrana dia tsimatimanota ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT