Actualités

Famoaham-baovao momba ny boaderozy Mbola migadra i Clovis Razafimalala


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Nahafantarana an'i Clovis Razafimalala, mpitarika fikambanana miaro ny tontolo iainana iray ny fahasahiany nanenjika sy niteny ireo vaovao manodidina ny trafikana Andramena tany Analanjirofo.

Migadra ao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy nanomboka 26 septambra 2016 izy. Nampangaina ho nitarika fikomiana sy fanimbana fananan'olona, nandritra ny raharaha niseho tao Maroantsetra nikasan'ny olona handoro biraom-panjakana maro sy ny fihetsiketsehana nataon’ny vahoaka ny 14 septambra no nanenjehana azy, ka ny primatiora no nijoro ho mpitory. Araka ny fanazavan’ireo akaiky azy, dia adin’ny samy mpandraharaha no niatombohan'ny raharaha. Ny 15 septembra, nosamborina niaraka tamin'ny olona 5 hafa izy ary nalefa tany toamasina tamin'ny alalan’ny fiaramanidina manokana nofaina mpandraharaha iray izy ireo ny ampitso, ka nogadraina. Ny mahagaga anefa dia  izy irery sisa no migadra fa ny hafa rehetra nomena fahafahana vonjimaika.  Heverin’ny mpiray fikambanana aminy sy ny fianakaviana fa "reglement de compte" tsotra izao mba hampanginana ny fanagadrana. Amin'izao fotoana izao, mandeha ny fanondranana an-tsokosoko andramena saingy tsy misy sahy miteny sy afaka manome vaovao ara-potoana intsony any an-toerana. Izay miseho na mijoro hanohitra ny tsy mety dia voarahona fa hanaraka an'i Clovis any am-pigadrana. Mangataka ny fianakaviana, ny CNPE ary ny Coalition lampogno any Maroantsetra ny mba hanafahana madiodio an'i Clovis Razafimalala.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT