Actualités

Famindram-pahefana zandary Niteraka fitohanana nandritra ny ora maro


  • Zoma 12 Oktobra 2012

Tsy nisy tsy nimenomenona ireo rehetra mamonjy asa sy fianarana ka mihazo an’Anosy, Tsimbazaza na koa Mahamasina omaly maraina.

 Nitohana tanteraka mantsy ny fifamoivoizana rehefa notapahan’ny mpitandro ny filaminana vao maraina ny lalam-pirenena faha-7 mandalo ny toby Ratsimandrava nanomboka teo anoloan’ny lapa maitso Anosikely sy teo Soanierana anoloan’ny Gastro pizza. Tsena anefa i Mahamasina ka vao mainka nananosarotra ny fahitana lalana ankanesana aty an-drenivohitra raha avy any atsimo na koa avy any Anosibe.

Voatery tsy maintsy nivily nankany Tsimbazaza sy Anosibe avokoa ireo fiara tsotra sy fiara mpitatitra tokony handalo eo amin’ny anoloan’ny toby Ratsimandrava. Tahaka ny zava-misy isaky ny alakamisy anefa dia efa tsentsina koa io lalana io ary hatreny amin’ny sampanan-dalana makany Namontana (boulevard de l’Europe) no efa nitohana. Tara avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra sy mpiasa. Menomenona aoka izany ny tao anatin’ny taksibe noho izany. Velona ny hoe: angaha tsy azo atao andro hafa ilay famindram-pahefana na koa notontosaina tao antokotanin’ny toby Ratsimandrava ihany fa tsy nibahanana lalana. Efa tamin’ny 11 ora moa vao nalalaka teny an-toerana, izany hoe efa vita mihitsy ilay lanonana.

 Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT