Taorian’Antsirabe sy Toamasina dia notanterahina teny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell Anosy indray omaly ny fisarihana ny anaran’ireo mpamily tsara vintana ho an’Antananarivo handray anjara amin’ilay fifaninanana familiana mitsitsy solika, karakarain’ny orinasa Vivo Energy.
Tobim-pivarotan-tsolika Shell miisa 20 eto an-drenivohitra no nandray anjara raha anaran’olona miisa 150 kosa no hosarihana ka ny 50 amin’ireo ihany no afaka hiatrika ilay fifaninanana. Tsy miandry ela fa ny alakamisy izao ihany dia hanomboka ny fanofanana azy ireo izay haharitra roa andro ka izay mamily fiara mahay mitsitsy solika indrindra no hahazo ilay solika maimaimpoana mandritra ny 12 volana tsy an-kiato omen’ny Vivo Energy. Mitovy ny fiara hampiasaina saingy ny fahaizana mampihatra ilay fiofanana norantovina no tena takiana. Ny solika Shell super extra moa raha tsiahivina no hampiasain’ireo mpandray anjara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.