Actualités

Famerenana karama tapaka Mampiesona i Manoro Régis


  • Alakamisy 06 Desambra 2012

Hitohy ny tolona ho an’ny Sempama mba hahafahana mamerina ny hasin’ny mpampianatra mpanabe, ny fandraisana an-tanana ny hoavin’izy ireo.

 Taorian’ny kabary nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis nandritra ny fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra tamim-pomba ofisialy natao tany Toliara ny 16 novambra teo mantsy dia nahatsapa ny Sempama fa fampandriana adrisa fotsiny ny nataon’ity minisitra ity izay nilaza mivantana fa hamitrana ny fihavanany amin’ny Sempama ka hamerina ny karaman’ireo mpampianatra tapaka karama miisa 198 sy hanafoana ny famindran-toerana mendrika fanasaziana. Hatreto anefa, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Sempama, Raharovoatra Claude dia tsy mbola naverina ny karaman’ireo tapaka karama izay nandrenesan’ny mpikambana feo fa amin’ny volana febroary 2013 any ho any vao hivoaka satria mbola misy ilay PAS na “En Position d’Abscense sans Solde”. Ankoatra izay dia mbola maro amin’ireo mpampianatra toy ny any Befandriana Avaratra no tratry ny famindran-toerana, araka ny fanazavan’ity filohan’ny Sempama ity ihany. Fitokonana faobe hanentanana ny fiarahamonina iray manontolo no hotanterahin’ny Sempama manomboka eto, hitetezany ireo sekolim-panjakana samihafa sy hanentanana ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT