Nanaiky tany am-boalohany ny ben’ny tanàna ao Andranonahoatra fa ara-dalàna ny maha tompon’ny tany mitondra ny anarana “La reunion”, laharana 11-069, mirefy 92a 73ca 21dm2 an-dRandriamanantena Edmond.
Andro vitsy taty aoriana, nitaraina indray izy fa tsy nanaiky indray ilay ben’ny tanàna ary dia nametraka fitarainana teny amin’ny fitsarana niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany, raha tsiahivina. Nisy moa ny didim-pitsarana laharana 10-291 tamin’ny 2 oktobra 2017 manome alalana ny kaominina hamefen’ny tompon’ny tany ny taniny. Nilaza ny tsy maha ara-dalàna ny fandavana ny mpisolovavan’ny tompon-tany ary nangataka ny ben’ny tanàna sy ny ekipany hanemotra ny fanapahan-keviny hitory fa tsy maintsy hiroso amin’ny famefena ny tany ny tompony. Tonga tao amin’ny kaominina Andranonahoatra ny avy ao amin’ny vadintany omaly nanatitra ny didim-pitsarana ahafahan’ny tompon-tany mamefy ny taniny ary dia noraisin’ny ben’ny tanàna. Andrasana kosa ny famelana hamefy ny tany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.