Tonga teny amin’ny Marais Masay omaly Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborintany faha-5, ka nahita maso ny fanotorana tany sy famefena ny kianja tokony hanaovan’ny tanora
fanatanjahantena. « Voafefy sy misy maka avokoa ny tany manodidina ny marais masay. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no tompony anefa ka nisy nanao bizina izany tao. Tsy ekenay intsony izany ary hangatahanay ny hamerenana azy satria kianja filalaovana sy zaridaina no teny. Tokotanin'ny FTM tompondakan’ny rugby rahateo no eo », hoy izy. Manatevina ireo antso efa natao hatrizay ity nataon’ny Kestora III-n’ny antenimieram-pirenena ity mba hitsinjovana ireo tanora fa tsy izay manambola sy manampahefana ihany no ho tompon’ny tany rehetra eto an-drenivohitra eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.