Actualités

Fambolena maharitra sy mahomby Ampiharina mandritra ny 5 taona ny PADAP


  • Talata 05 Desambra 2017

Tanterahana mandritra ny 5 taona amina faritra efatra (Analanjirofo, SAVA, Boeny, Sofia) eto Madagasikara ny PADAP (Projet Agriculture Durable Par une Approche Paysage) na tetikasa momba ny fambolena maharitra araka ny zava-misy eny anivon’ny faritra.

Mitentina 107 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanatanterahana azy izay azo avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Agence Française de Développement (Afd), mandray anjara amin’ny famatsiam-bola ihany koa ny fanjakana Malagasy. Hojerena manokana sy hohatsaraina ny resaka fanamboarana lakandrano hanondrahana ny tanimboly, ny fikarakarana manokana ireo akora ilaina amin’ny fambolena. Hohatsaraina ihany koa ny fomba fitantanana ireo harena voajanahary any amin’ireo faritra iasana ka omena andraikitra betsaka amin’izany ireo mponina any an-toerana. Ary farany dia ny fanaovana hery vonjy taitra raha toa ka misy ny olana tena lehibe voamarina fa tena mila famonjena. Olona miisa 38 200 any Izafo (Vavatenina), Soanierana Ivongo, Marovoay, Andapa ary Bealanana no hahazo tombontsoa amin’ny PADAP. Maro ireo tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny fambolena no tsy nahomby hatramin’izay noho ny tsy fahatomombanan’ny fizaran-drano sy ny tsy nampandraisana anjara feno ny mponina ao amin’ilay toerana misy ny tetikasa ka izany indrindra no anton’izao fomba fiasa vaovao izao.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT