Actualités

Fambolena an-tanàn-dehibe Resy lahatra amin’ny tetikasan’ny Ben’ny tanàna ny VOT


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Resy lahatra tanteraka amin’ilay tetikasan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana momba ny fambolena an-tanàn-dehibe ny VOT ( vondron’olon-tsotra) tarihin’ny filohany Rtoa Sarah Zoe.

Tsy voatery amin’ny resa-politika ihany mantsy izy ireo no mandray andraikitra fa fikambanana malalaka no sady mandray anjara feno amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fiharian’ny isan-tokantrano. Tsy voatery hanana tany be, hoy Rtoa Sarah Zoe, vao afaka manao fambolena  fa dia ao anaty tavim-boninkazo sy gonikely asiana zezika aza dia efa mety. Hafa ny manan-koraisina noho ny tsy manana mihitsy mba hatao laoka na koa hamidy hampitomboana ny fidiram-bola ao anatin’ny tokantrano. Nisy ny fanentanana nataony tamin’ireo mpikambana omaly maraina, tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely izay efa ahitana io  fambolena an-tanàn-dehibe io. Ezahina hitarina eny anivon’ny fokontany izy io ka ireo renim-pianakaviana no tena ezahin’ny VOT omena tombony. Nomarihiny fa  lainga fotsiny ny  fanaratsiana ataon’ireo  mpanolotsain’ny tanàna eo anivon’ny kaominina an-dRtoa Ben’ny tanàna satria dia hita mivaingana izao ny vokatry ny tetikasa ataony izay mipaka mivantana eny anivon’ny isan-tokantrano mihitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT