Nosokafana tao amin’ny kaominina Ambohibary misy ny tanin’ny orinasa Fanalamanga ao Moramanga ny sabotsy misandratr’andro teo ny taom-pambolen-kazo taona 2017 – 2018 ho an’ny governemanta.
“Fambolen-kazo mahomby antoka ho an’ny fihariana maharitra ara-toekarena” no lohahevitra mandritra ity taom-pambolen-kazo 2017-2018 ity. Niatrika izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Olivier Solonandrasana, ny minisitry ny haivoary sy ny ala ary ny tontolo iainana Ndahimananjara Johanita izay voatampim-bava nefa tompon-daharaha, ny tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga Rakotonirina Augustin izay nikarakara ny hetsika rehetra, ary ireo mpikambana ao amin’ ny governamanta sasany sy ireo parlemantera voafidy tao Alaotra-Mangoro. Zanakazo 20.000 nahitana kesika niisa 17.000 sy kininina vaovao haingam-pitombo izay natao handrana niisa 300 tamina tany 20ha no nisantarana izany. “Tsy ataontsika fombafomba fotsiny intsony ny fambolen-kazo ataontsika toy izao, satria efa mitatao ny loza eto amintsika izao amin’ny fiovan’ny toetr’andro noho ny fahamaroan’ny dora ala sy ny doro tanety eto amintsika” hoy ny praiminisitra. Nohamafisin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoahary ary ny ala Ndahimananjara Johanita koa izany nandritra ny resaka nifanaovany manokana tamin’ny mpanao gazety fa “efa hita taratra ny fihenan’ny rano eto amintsika noho ny fikaran’ny hafanana vokatry ny fahasimban’ny ala, izay no niteraka ny tsy fahampian’ny voka-bary nanomboka ny taona lasa iny, na dia nahavita fambolena zana-kazo 25.000ha aza isika”. Ny tanjona ho an’ny minisitera izany amin’ity taom-pambolena zanakazo ity dia mikasa ny hahavita 2.000 ha isam-paritra. Raha ho an’ny orinasa Fanalamanga indray dia tanjona araka ny nambaran’ny tale jeneraliny ny hamboly zanakazo 10 tapitrisa amin’ny tany 10.000 Ha, satria raha 3.000 Ha ny filana amin’ny hazo eo anivon’ny orinasa izao dia tsy afaka manome fahafaham-po ny mpanjifany afa-tsy 1.000 Ha ihany izy ireo izao. Ao anatin’ny 7 taona ny tanjona napetraka izany dia velaran-tany 80.000 Ha no tsy maintsy hovolen’izy ireo hazo mba hahafahany mamaly ny filan’ny mpanjifany, ka tsy hihanona amin’ny hazo kesika ihany izy ireo, fa hiditra ihany koa amin’ny fambolena kininina vaovao (hybride) haingam-pitombo ihany koa. Ny taom-pambolena zanakazo ny taona lasa dia nahavita 6.500 Ha ny orinasa Fanalamanga ao Moramanga.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.