Actualités

Fambolem-bary Hidiran’ny Sinoa indray !


  • Zoma 09 Jolay 2010

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny governemanta natao ny talata lasa teo teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny governemanta Malagasy sy Sinoa eo amin’ny fambolem-bary.

Fantatra ary fa hanome masomboly hatramin’ny 56 taonina antsika ny Sinoa. Ity vary ity moa dia tafiditra ao amin’ilay sokajy antsoina hoe : «riz hybride» izay voalaza fa maniry haingana kokoa no sady hahavokarana be lavitra noho ireo karazam-bary famboly eto amintsika hatramin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny fanofanana teknisianina Malagasy any Chine, momba ny teknika fambolem-bary maoderina. Tahaka ny Malagasy dia tsy mijanona ho sakafo fotsiny ny vary, ho an-dry zareo Sinoa fa efa tafiditra ao anatin’ny kolontsaina mihitsy ary efa maro ny fikarohana nataon’izy ireo nahafahany nanatsara hatrany ny voka-bary tany aminy. Hita sy tsapa amin’ny alalan’ny zava-nitranga tato ho ato izay fa manomboka maka toerana eo amin’ny sehatra maro ny Sinoa eto amintsika. Efa manana ny anjara toerany tsy azo tsinontsinoavina izy ireo eo amin’ny sehatry ny varotra, efa nidiran’izy ireo ihany koa ny fitrandrahana solika na dia tsy maresaka sy tsy fantatry ny olona firy aza, ny vy ao Soalala moa dia efa azon’ny Sinoa amin’ny ambongadiny ary nanamafy ny ministry ny vola fa efa voarotsaka ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo 100 tapitrisa dolara, sandan’ny fitsirihana.

Izao indray dia hamatsy masomboly ho an’ireo tantsaha mpamboly vary ny Sinoa. Amin’ireo firenena rehetra manana fifandraisana ara-diplaomatika amintsika dia i Chine no tsy mba nampiato mihitsy ny fifandraisany fa vao mainka aza nanamafy ny fifanakalozana sy fiaraha-miasa amin’ny fanjakana Malagasy. Ny antony dia tsotra : tena mifaninana sy mifampitady amin’ny Amerikanina sy ny Frantsay ary ny Alemanina amin’ny fifandraisana amin’ireo firenena Afrikanina ny Sinoa. Hany ka idirany avokoa izay sehatra rehetra hanamafy orina ny fipetrahany any amin’ireo firenena manaiky ny hifampiraharaha aminy ; tsy mba tahaka ireo firenena tandrefana fatra-pandala ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary fahafahana maheno hevitra an-kalalahana i Chine ; ohatra iray hitan’izao tontolo izao amin’izany ny nifehezana sy ny namerana ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny Internet nandritra ny lalao olimpika tany Beijing, izay tena nampimenomenona ny mpikirakira vaovao. Ny tena zava-dehibe amin’ny Sinoa dia ny hahafahany manaparitaka ny kolontsainy sy ny fombany amin’ny alalan’ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena mba hahafahany, any aoriana any, mifehy izao tontolo izao.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT