Actualités

Famatsiana solika ny Jirama Nailika ny “Madagascar Oil” ?


  • Zoma 20 Janoary 2017

Ianjadian’olana ny orinasa mpitrandraka solika “Madagascar Oil” any Tsimiroro amin’izao fotoana izao.

Ianjadian’olana ny orinasa mpitrandraka solika “Madagascar Oil” any Tsimiroro amin’izao fotoana izao. Manana sakana amin’ny famarotana ny vokatra ho an’ny tsena anatiny ny orinasa ankehitriny, na dia efa nisy aza ny fankatoavana ara-dalàna amin’ny fahafahan’ny orinasa mitsinjara sy mitatitra ny “Fuel lourd” na solika mavesatra vokarina avy any Tsimiroro, taorian’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 26 oktobra 2016. Raha voafaritra tany am-piandohana fa ity orinasa ity no hamatsy solika mavesatra ny orinasa Jirama, dia miteraka olana ny antso tolo-bidy nataon’ny orinasam-panjakana ny 22 desambra 2016, fa ny solika mavesatra avy any ivelany no tadiavina. Tsy afaka miditra ho anisan’ny mpifaninana hahazo ny tsenam-barotra amin’ny famatsiana io orinasam-panjakana io izany ny “Madagascar Oil”. Amin’ny maha orinasa eto an-toerana azy sy ny fifanarahana efa niarahana nanasonia tamin’ny orinasa Symbion Power, mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama amin’ny famokarana ao Mandroseza anefa, dia efa vonona ny solika mavesatra azo ampiasaina ao anatin’ny herintaona. Mahatratra 160 000 barila ny solika mavesatra mitoby fotsiny, kanefa afaka manodina ny milina mamokatra 40MW eny Mandroseza ao anatin’ny 6 volana. Mangataka ny hanajana ny fifanarahana efa natao tany aloha sy hanatsaharana ny antso tolo-bidy vaovao nataon’ny Jirama ny Madagascar Oil, izay toa tratran’ny fanilihana noho ny fepetra vaovao napetraky ny Jirama.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT