Actualités

Famatsiana rano fisotro madio Toerana telo lehibe eto Madagasikara no hahazo


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Malagasy miisa 450.000 no ezahina hahazo rano fisotro madio ato ho ato, tetikasa hiarahan’ny USAID sy ny Fondation Coca Cola. Raha ny fantatra, mbola vao ny 35 %-n’ny mponina manerana ny Nosy no mahazo hatreto, antony mampahazo vahana ny aretim-pivalalana sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mahazo ireo ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika.

Hiara-kiasa amin’ny roa tonta amin’ny fanatanterahana izany ny WADA ( Water Development Alliance) sy ny  WSUP izay hisahana  ny fanatanterahana  ny asa. Ny rano fisotro madio sy ny fidiovana, hoy Atoa T Christoffer Milligan, tale jeneraly  misolo toerana eo anivon’ny USAID eto Madagasikara no fototra ho amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny olona  amin’ny ankapobeny. Antananarivo, Mahajanga ary Toliara no ezahina hahazo tombontsoa hanatrarana ny tanjona napetraky ny governemanta Malagasy mba hahazoan’ny rehetra tombontsoa amin’izany hatramin’ny taona 2025 hoy hatrany izy.  Ao koa ny fanafoanana ny fanaovana maloto an-kalamanjana hatramin’ny faran’ity taona ity. Mitentina 5,3 tapitrisa dolara ny vola holaniana. Tsiahivina fa efa ho dimy taona izao no niarahan’ny Fondation Coca Cola niasa niaraka tamin’ny WSUP sy ny JIRAMA. Kaominina miisa 18 hatreto no efa nahazo tombontsoa izay ezahin’ity fondation ity hotohizana hatrany ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT