Actualités

Famatsiana provandy Mitaraina ireo mpiompy eny Avaradrano


  • Zoma 03 Septambra 2010


Mahatsapa ny mpiompy amin’iny faritra avaradrano iny fa tsy ampy na tsy maharaka ny famatsiana sakafo ny biby fiompy tato ho ato. Voakasika manokana amin’izany ny provandy natokana ho an’ny akoho fakana nofo na “finition”. Araka ny fanamarihan’izy ireo dia lany fotoana niandrasana provandy teo amin’ny toeram-pivarotana iray eny Sabotsy Namehana ny mpiompy teo anelanelan’ny alakamisy 26 aogositra ka hatramin’ny alarobia 01 septambra 2010. Ny alarobia tamin’ ny 5 ora hariva vao tonga ny provandy “finition”. Rehefa natao anefa ny fizarana dia iray gony isan’olona no azo. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe mahavita akoho 200 isa firy andro ny provandy iray gony ? Izay eo ihany fa ny mahagaga ireto mpiompy ireto dia nisy provandy 50 gony nasaina naterina any amin’olona iray izay tsy nilahatra teo akory kanefa nasaina naterina tany an-tranony. Raha samy mpanjifa ihany, nahoana no asiana fitanilana sy fiangarana toy izany ? Mazava loatra fa hisy fiantraikany any amin’ny fiompian’ny hafa ny toe-javatra toy izany, ary hiteraka fatiantoka ihany koa satria mijaly tsy manan-kohanina ny akoho. Vitsy moa ny olona sahy mitaraina sy mimenomenona satria mandeha koa ny fandrahonana fa izay manao izany, hono, dia atao anaty “lisitra mainty” ka anaovana antsojay sy tsy omena akoho intsony. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT