Efa saika ny 80% ny tamban-jotran’ny herinaratry ny Jirama Toamasina simban’ny rivodoza no efa miverina amin’ny laoniny raha ny fanazavan’ny talen’ny Jirama Veloson Leonard.
Efa mandeha sy miverina amin’ny laoniny avokoa ireo tambajotra 9 amin’ny 11 misy ho an’ny “moyen Tension” izao, ka ireo tambajotra famatsiana herinaratra “basse tension” eny anivon’ny fokontany sy ny tokantran’ny mpanjifa sisa no asa miandry. Manao ny ezaka rehetra hamerina izany ho 100% izy ireo taorian’ny fahatongavan’ireo fitaovana avy amin’ny tale jeneralin’ny Jirama, izay nahitana taribin-jiro sy andrin-jiro, hanoloana ireo simba sy tapaka ary nisy nangalatra. Hentitra anefa ny talen’ny Jirama Toamasina Veloson Leonard nandritra ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany Bazary be Toamasina fa maimaimpoana avokoa tsy misy vola aloan’ny mpanjifa na ny vahoaka eny amin’ny fokontany amin’ny famerenana ny famatsiana herinaratra ataon’ny jirama koa raha misy ny maka vola sy misandoka ho mpiasa mampanangom-bola vahoaka, dia niangaviany mba hampandre azy ireo izay niharan’izany. Nambarany ihany koa fa eo am-pametrahana ny tambajotra Volobe – Toamasina izay tapaky ny rivodoza sy nisy nanararaotra nangalatra ny mpiasa sy ny teknisian’ny Jirama Toamasina sy Antananarivo ankehitriny, ka mahatratra 50 km no hosoloina mandritra izany; tsy nisy fahasimbana kosa ny fitaovana ao Volobe araka ny fanazavany hatrany, ka ny fahavitan’izany dia hanampy mora foana ireo herinaratra efa ampy ny mpanjifa misy vokarin’ireo fitaovana mandeha amin’ny solika mavesatra mahatratra 28MW nefa ny filana isan’andro ao Toamasina dia manodidina ny 24MW.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.