Actualités

Famatsiam-bolan’ny FDL Nanodinkodim-bola ny Kaominina sasany


  • Talata 06 Jolay 2010

Kaominina miisa 839 amin’ny 1549 no nahazo ny famatsiam-bola mitentina 9 tapitrisa avy amin’ny FDL na ny Tahiry Fampandrosoana Ifotony hatramin’izao. Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa avokoa ny 94% amin’ireo.

Tetikasa miisa 548 kosa no efa notanterahana tamin’ny alalan’ity famatsiam-bola ity izay mitsinjara amin’ny fanamboarana sekoly, hopitaly, biraon’ny kaominina, paositry ny zandary, tsena, kianja, fanajariana lemaka ary fampitaovana birao ifoton’ny fananantany. Nisy ny fanaraha-maso nataon’ny tompon’andraikitry ny FDL momba ny fampiasan’ny kaominina ny vola azony, ny fizotry ny asa nampiasana izany ary ny fomba nanomezan’ny kaominina ny tsenan’ny tolotrasam-panjakana tamin’ny faritra niisa 13. Ny 15 %-n’ireo fotodrafitrasa tontosa tamin’ireo faritra ireo no nahafa-po tanteraka, 30% nahafa-po, 42 % azo nekena, 11% nahakivy ary 2% tena tsy araka ny nantenaina mihitsy. Ankoatra izay dia nahatsikaritra fanodinkodinam-bola nataon’ny Ben’ny tanàna sasany koa ireo mpanara-mason’ny FDL. Nomena roa herinandro hanitsiany ny fahadisoany ireto farany saingy mety hiafara eny amin’ny fitsarana ny raharaha raha tsy voalamina ao anatin’io fe-potoana io, hoy ny ministry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo.

Eo am-panomanana ny fanomezana ny ampaham-bola faharoa izay hivoaka amin’ny taona ho avy moa ny FDL ankehitriny ka ireo kaominina 719 tsy mbola nahazo tombontsoa tamin’ny kitapom-bola voalohany no atao laharam-pahamehana. Fepetra takiana anefa ny fananan’ny kaominina tetibola nolanin’ny filankevitra monisipaly sy ny kaontim-pitantanana ary ny fananana Sekretera mpitambola nahavita fiofanana teny amin’ny INFA Androhibe. Ity fepetra farany ity no lakile mamaha ny famatsiam-bola avy amin’ny FDL raha ny fanazavana. “Mila atao mazava ny fitananan-draharaha sy fitantanam-bolampanjakana ka tokony ho matihanina ireo mpanara-maso sy mpanatanteraka eny anivon’ny kaominina”, hoy ihany ny ministra. Araka izany dia hisy ny fanofanana omena ireo sekretera mpitambola tsy mbola nahavita izany ny 20 jolay ka hatramin’ny 14 aogositra izao manerana ny ivotoeram-panofanana 60 miparitaka manerana ny nosy. Hiompana amin’ny famolavolana sy fampiasana ny tetibolan’ny kaominina, ny “exercice comptable” ary ny adidy sy toetra tokony hananan’ireo sekretera mpitam-bola ny fanofanana izay hosahanin’ny lehiben’ny distrika sy ny tale misahana ny lafintany eny anivon’ny faritra. Mialoha io anefa dia misy ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fifampizarana traikefa tontosain’ireo mpampiofana nanomboka omaly ka hatramin’ny 9 jolay etsy amin’ny INFA.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT