Actualités

Famatsiam-bolan’i Madagasikara Amin’ny faran’ny taona vao hodinihana


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Manomboka hita taratra ny tsy fifankahazoana eo anivon’ny samy mpitondra mpanatanteraka.

 
 Tsy mbola manangasanga ihany koa hatramin’izao ny marimaritra iraisana eo amin’ireo solombavambahoaka sy ny filohan’ny Repoblika. Mitombo tsikelikely ireo hetsika fitakiana avy amin’ireo sehatra samihafa eto amin’ny firenena. Tsy manana vahaolana maharitra anefa ny mpitondra mahefa ka miroso amin’ireo karazana tetikasa vonjimaika toy ny 100 andro tanterahan’ny governemanta ankehitriny izay tsy misy akony loatra amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy misy ny famatsiambola ka mikatso tanteraka ny fizotran’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Efa manana ilay «Programme National de Développement» ilaina famatsiambola hatrany amin’ny 14,6 miliara dolara ihany ny fitondrana Rajaonarimampianina saingy tsy mbola nanome valin-teny mazava hatreto ireo mpamatsy vola. Aorian’ny fikaonandohan’ireo mpamatsy vola hotanterahana mialoha ny faran’ity taona 2015 ity moa vao mety hisy fanapahan-kevitra, araka ny fantatra.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT