Actualités

Famatsiam-bola avy any ivelany Nihena 46% tao anatin’ny herintaona


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Nihena hatrany amin’ny antsasany ny fanampiana ara-bola avy any ivelany tao anatin’ny herintaona. Raha nahatratra 698 tapitrisa dolara ny totalin’ny vola azon’ny fanjakana tamin’ny taona 2008 dia tsy nisy afa tsy 372 tapitrisa dolara izany tamin’ny taon-dasa.

Ireo tetikasa momba ny fiahiana ara-tsosialy sy ny vonjy aina, izany hoe ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra no saika notazonin’ireo mpiara-miombonantoka amin’ny ankapobeny. Araka ny tatitra moa dia 100 tapitrisa dolara monja no vola indramina tamin’iny 2009 fa fanampiana tsy averina avokoa ny ambiny rehetra. Na dia nampiato tetikasa sy fandaharanasa maro aza ny fanjakana amerikana hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana dia izy ireo no nanome famatsiana ara-bola be indrindra amin’ny fiarahana miasan’ny firenena samy firenena. Nanamarika ny taona 2009 koa anefa ny fisian’ireo mpamatsy vola vaovao dia ireo firenena aziatika izany. “Tsotra kokoa ny fepetra takian’ireo firenena mpiara-miasa vaovao ireo toa an’i India sy Koweit ary Arabia Saodita”, hoy ny ministry ny toekarena, Fienena Richard. Singanina manokana ny fanjakana Indiana dia nandany 24 tapitrisa dolara tamin’ny fanatsarana ny voka-bary sy ny famokarana zezika. Raha ny tatitra ihany dia hita ho manomboka marindrano noho ny tamin’ny taona 2009 ny fanampiana azon’i Madagasikara tamin’ny enim-bolana voalohany satria mitentina 172 tapitrisa dolara ny totalin’ny fanampiana azontsika nandritra io fe-potoana io. 360 tapitrisa dolara kosa no andrandraina hatramin’ny faran’ny taona 2010. Raha ny fanamarihan’ny ministra ihany dia efa mihamiverina ny mpiara-miombonantoka amintsika satria efa mizotra amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ny firenena amin’izao fotoana. 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT