Actualités

Famatsiam-bola 10 miliara dolara Mahatratra 15,5% ny zanabola aloa


  • Alakamisy 16 Febroary 2017

Niompana tamin’ny paikady fanavaozana miaraka amin’ny fandaharanasa fampiasambola mazava mitondra mankany amin’ny harinkarena tsy manavaka sy maharitra lovainjafy ny fandresen-dahatra

 

naroson’ny fitondrana Rajaonarimampianina teo anoloan’ireo mpamatsy sy mpampiasa vola nandritra ny fikaonandoha notontosaina tany Paris ny voalohany sy faharoan’ny volana desambra 2016 hisitrahana ilay famatsiambola goavana 10 miliara dolara mandritra ny 4 taona azon’i Madagasikara. Laharam-pahamehana ao ny fanohanana ireo sehatra famoronana asa sy karama ho an’ny vahoaka Malagasy tahaka ny fambolena sy fiompiana, ny orinasa fanodinan-tsakafo, ny fizahantany ary ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Nomena lanja manokana ihany koa ny lafiny maha olona toy ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny sakafo ary ny rano. Tsy nisy tohiny mba tsy ilazana fa nangina tanteraka anefa ankehitriny ny vaovao momba izany. Nijanona ho tsiambaratelo rahateo ny vontoatin’ny fifanarahana nifanaovan’ny mpitondra fanjakana Malagasy tamin’ireo firenena sy fikambanana mpiara-miombon’antoka. Nambaran’ny profesora James Ratsima kosa fa amin’ny volana aprily 2017 vao mety hivoaka ny famatsiambola. Zana-bola 15,5% moa no takalon’io trosa vaovao miandry ny vahoaka Malagasy io, araka ny fanampim-panazavan’ny filohan’ny fikambanana Asandratro ny Fireneko.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT