Actualités

Famaranana ny fanisam-bahoaka Mbola mikaroka 12 tapitrisa dolara hanaovana azy


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Tombanana ho 20 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny Malagasy amin’izao fotoana. Isaky ny 10 taona raha ny fenitra no tokony hisy ny fanisam-bahoaka saingy efa tamin’ny taona 1993 no nanatanteraka izany farany isika. Fanisam-bahoaka faharoa notanterahana teto Madagasikara io taorian’ny tamin’ny 1975.

Nanana tetikasa fanisam-bahoaka koa ny fitondram-panjakana teo aloha izay tohizan’ny FAT amin’izao fotoana. Ny taona 2004 no efa nanomboka ny dingana voalohany tsy maintsy arahana amin’izany tamin’ny alalan’ny fijerena ireo tanàna vaovao vao niorina sy ireo tanàna foana. Raha ny fanazavan’ny Tale jeneraly misahana ny antontanisa, Ravelomanantsoa Gérard, dia efa vita koa ny tetikasa fanisana andrana fa ny fanaovana fanadihadiana ifotony isaky ny tanàna sisa andrasana. «Tsy mbola afaka manatanteraka io dingana fahatelo goavana indrindra aloha isika amin’izao noho ny tsy fisian’ny enti-manana ara-bola. Nisintaka mantsy ny Banky iraisampirenena izay tokony hamatsy vola izany ary efa miandry ny valin’ny fifampiresahana amin’ny FNUAP isika izao» raha ny fanazavan’ny Tale jeneraly. Mitentina hatrany amin’ny 18 tapitrisa dolara moa no lelavola ilaina amin’ny fanisam-bahoaka ary mbola mikaroka 12 tapitrisa dolara isika izao hamitana azy tanteraka. «Ao anatin’ny famolavolana ny fampiasambolampanjakana 2011 isika izao ka ho hita eo izay azo atao», hoy hatrany Ravelomanantsoa Gérard. Na mbola tsy ampelatanana aza anefa io maribola io dia mihevitra ny hamita ity fanisam-bahoaka fanintelony ity amin’ny taona ho avy ny fanjakana. Nivoitra izany nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny antotanisa, ankazaina isan-taona isaky ny 20 oktobra. 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT