Actualités

Famakiana ilay vato eny Avaratr’Ankatso Malailay fonosana ve ny Fanjakana ?


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Mitady hivadika resaka politika ilay resaka bolongam-bato eny avaratr’Ankatso. Rehefa somary nangingina andro maromaro ny teo anivon’ny fitondram-panjakana araka ny fahitan’ireo mponina eny avaratr’Ankatso azy, dia nandray fanapahan-kevitra kosa ireo mponina eny an-toerana ny hamaky ilay vato. Ireo mpamaky vato amin’ny fomba nentin-drazana moa nanambara fa vitan’izy ireo mandritra ny iray volana ny famakiana io vato io amin’ny sarany 4 hetsy sy 3 tapitrisa ariary. Efa nivonona ny hanao tsipaipaika ny mponina teny an-toerana, ary ny

 

solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny boriborintany faharoa ramatoa Lanto Rakotomanga ihany koa efa nivonona ny hanome vola 4 tapitrisa ariary hamatsiana ny asa. Rehefa nametraka ny fangatahana teny anivon’ny distrika sy ny prefektioran’ny polisy anefa  ireo mponina dia fandavana no setrin’izany fa efa horaisin’ny fanjakana an-tanana ny raharaha. Ny Orinasa Colas no heverina hanao ny asa ka 57600.000 ariary no  anaovan’izy ireo ny asa ao anatin’ny herinandro. Azo aloa ao anatin’ny 1 volana io vola io. Ny filankevitry ny governemanta  vita omaly alina no mandray ny fanapahan-kevitra taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo komity iraisan’ny minisitera.

Tena  tsy mahomby tokoa ve ilay eritreritry ny mponina  hamaky ilay vato araka ny fomban-drazana sa ny fidiran’ilay Solombavambahoaka Mapar an-tsehatra no nametraka olana ? Ny fanjakana foibe anefa tsy mitsahatra ny mangataka fiaraha-miasa etsy sy eroa.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT