Tsy hitsahatra intsony ny firesahana momba ireo karazana ady tany eto amintsika izay efa saika mihatra amin’ny isam-batan’olona mihitsy ankehitriny.
Lohalaharana amin’izany ny fibodoana tanin’olona tanterahin’ny sasany izay hahazoany taratasy mazava sy ara-dalàna amin’ny anarany mihitsy na dia efa nolovain’ireo taranaka tamin’ireo ray aman-drenibe taloha aza, ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany etsy Anosy… Nivoitra io nandritra ny famaranana ilay atrikasa nentina nandinihina manokana ny resaka fananan-tany eto amintsika tetsy amin’ny DLC Anosy nokarakarain’ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany sy ny Transparency International. Efa misy ny rafitra napetraka, hoy Randrianomenjanahary Haingoarison, filohan’ny SIF hahafahana manatevina ireo efa eo am-pelatanana, taorian’ny asam-baomiera natao. Ezahina hotohizana ny fifampiresahana mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra. Tonga nandray anjara tamin’izao atrikasa izao avokoa ireo mpisehatra rehetra momba ny fananantany eto amintsika toy ny topo, ny domaine, ny observatoire foncier, ny solombavambahoaka, ny solontenan’ny minisitera, ny FFKM, ny silamo…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.