Actualités

Fakon’Andralanitra Tonga ny fotoana hamadihana azy ho angovo


  • Alakamisy 19 Janoary 2017

Zary fandatsana ny teny vazivazin’ny tano manao hoe : malaza tsy hihinanana toa ny fakon’Andralanitra manoloana ny fijaliana amin’ny angovo indrindra ny herinaratra sendrain’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina amin’ity delestazy tsy manam-piafarany amin’izao fotoana ity.

Zary fandatsana ny teny vazivazin’ny tano manao hoe : malaza tsy hihinanana toa ny fakon’Andralanitra manoloana ny fijaliana amin’ny angovo indrindra ny herinaratra sendrain’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina amin’ity delestazy tsy manam-piafarany amin’izao fotoana ity. Sao mba fotoana izao hanapahan-kevitra amin’izay amin’ny hamadihana an’io fako miavosa eo Andralanitra, kaominina Ambohimangakely io ho angovo hampiasain’ny isan-tokantrano sy orinasa ary koa hotely samihafa. Maro ny voka-pikarohana vitan’ny Malagasy mikasika azy io, saingy re ombieny ombieny fa ny fanjakana na koa ny kaominina na koa ny tsy fisian’ny famatsiam-bola no sakana tsy namadihana azy ireny ho tetikasa. Sady azo avadika ho arina sy etona fandrehitra anefa no ahazoana zezika hanampiana ny tantsaha ary koa azo avadika ho herinaratra ny fako. Azo atao izany ao Toliara, maninona no tsy tanterahana eto Antananarivo ? Ho afaka ny olana amin’ny fitadiavana toerana hanariana fako raha tonga izay fotoana hanodinana io fako io ho angovo izay, ny akora (fako) rahateo misy satria dia an-jatony taonina isan’andro no raofina eto an-drenivohitra. Asa maro no hiforona ho an’ny tanora amin’izay, ny tontolo iainana hadio, veloma hatreo ny setroka manempotra ny mponina eny manodidina.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT