Actualités

Fako miavosa ao Toamasina Nanadio tanŕna ny faritra atsinanana


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Vola 2 tapitrisa ariary avy amin’ny faritra atsinanana niantohana ny solika tamin’ny fanadiovana ny tanŕna tamin’ny alalan’ny fanalana ireo fako miavosa mameno ny tsena 3 goavana ao Toamasina, dia Bazary kely sy Ankirihiry ary Bazary Depot

Izay fiaraha-miasa tamin’ny faritra atsinanana sy ireo mpandraharaha ao Toamasina izay niantoka ireo kamiao nitaona ny fako sy ny “bulldozer” nandraofana azy izay avy amin’ny SPAT. “Mila mitsena ny taona vaovao ao anatin’ny tanàna madio ny vahoakan’i Toamasina, izay no nandraisanay andraikitra amin’izao loton’ny tanàna sy ny tsena goavana izao” hoy Atoa Talata Michel. Nanafatra anefa ny lehiben’ny faritra atsinanana, fa “ny tsy mandoto dia efa manadio izay, ny fanajana ny ora fanariana fako dia fisorohana ny fiangonana fako tahaka izao, ary ny fanajana ny toerana fanariana azy ireny sy ny fiaraha-monina dia antoka iray goavana mampadio ny tanàna”. Niatrika izao fanadiovana ny tanàna izao koa ireo avy amin’ny “Ingénieur Sans Frontière” izay nahazo ny famatsiam-bola avy amin’Ambatovy momba ny “TAMADIO” ,tetikasa haharitra 5 taona amin’ny fitantanana ny fako.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT