Amin’ny maha ivotoeram-panabeazana sy fikarohana ny fakiolten’ny teny sy haisoratra ary ny siansa maha olona (FLSH) dia mikarakara hetsika fanamarihana ny tsingerin-taona faha-50 niverenan’ny fahaleovantena koa ity fakiolte ity.
Rariny loatra izany, hoy ny Sojabe ao an-toerana satria ny fianarana ny teny sy olona izay anisan’ny singa manamarika ny fiandrianam-pirenena no kirakiraina ao amin’ny FLSH. Hetsika maro no omanina hatramin’ny faran’ny taona ka ny fampirantiana amin’ny alalan’ny sary sy soratra ny tantaram-pirenena nanomboka tamin’ny fanjanahantany ka hatramin’izao vanim-potoana izao no nisantarana izany. Nampitondraina ny lohateny hoe : «nataontsika inona ny fahaleovantena ?» ny fampirantiana izay natao indrindra nampisaintsainina ny rehetra momba ny andraikiny eto amin’ny firenena. Nanambara moa ny Sojabe fa tompon’andraikitra amin’ny zava-misy niainan’ny firenena tao anatin’izay 50 taona izay ny oniversite, indrindra fa ireo mpampianatra mpikaroka. Tsy afa-miala koa izy ireo amin’ny hoavin’ny firenena.
Nitodika tamin’ireo mpampianatra mpikaroka namany ny tenany ka nanontany raha tena iainana tokoa izany fahaleovantena izany. “Tsy ny fananana saina na ny teny na ny hiram-pirenena ihany no azo ilazana fa mahaleotena isika”, hoy izy fa “iaraha-mahalala koa ny fisian’ny Malagasy maro tsy misakafo”. Ny profesora Rafolo Andrianarivony, filohan’ny komity mpanomana kosa dia nisarika ny sain’ny rehetra handini-tena manoloana ny fiainam-pirenena. Fanontaniana no napetrany raha mandeha araka ny tokony ho izy ny fifampitondran’ny samy Malagasy, ny fitantanana ny fiharian-karena sy ny raharaham-pirenena. Fa anisan’ny nanamarika ny fampirantiana izay tontosaina ao amin’ny fakiolten’ny teny sy haisoratra ny tsy fisian’ny sarin’ny filohan’ny FAT raha mibaribary tsara avokoa ny sarin’ireo filoha rehetra nifandimby. Raha ny filazan’ny profesora Rafolo Andrianarivony dia manana ny sarin’ny mpitondra ny tetezamita, Rajoelina Andry tokoa ny mpikarakara dia ny mpianatra ao amin’ny dingana faha-3, sokajy tantara saingy tsy napetak’izy ireo izany sao miteraka fifandroritana eo amin’ny mpitsidika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.