Actualités

Fakiolten’ny haisoratra Miato ny fampianarana


  • Zoma 06 Aogositra 2010


 Nivaha omaly ny olan’ireo mpandraharaha 1700 miasa eo anivon’ny oniversite Antananarivo. Voazara omaly antoandro ny taratasy fahazoa-mandray vola na “bon de caisse” ary efa tafapetraka eny anivon’ny banky samihafa koa ny volan’ireo mandray karama amin’ireny toerana ireny. Miverina mandray ny asany manomboka anio ireo mpiasa, araka izany. Tsy mbola mivaha kosa anefa ny olana ho an’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny mahaolona. Araka ny tapak’ireo lehiben’ny departemanta 10 ao an-toerana miampy ny ‘formation doctorale” nandritra ny fivorian’izy ireo dia tsy afaka ny hanohy ny fampianarana izy ireo noho ny tsy fananana ny toe-bola fampandehanan-draharaha. Voalaza amin’ny petadrindrina ao amin’ny fakiolte FLSH fa miato ny fampianarana mandra-pahazo ny tetibola 2010. Nisy ihany koa omaly ny fivorian’ireo mpianatra ao an-toerana izay mangataka amin’ny tompon’andraikitra isan-tokony hamaha io olana io. Nandefa fanambarana amin’ny Sojaben’ny fakiolten’ny teny sy haisoratra, ny filohan’ny oniversite, ny ministera ary ny fiadidina ny FAT momba io fangatahany io izy ireo. “Efa herinandro izao no tsy nisy fianarana tato aminay ka manahy mafy ny hisian’ny taona fotsy izahay mpianatra”, hoy Ratovomaherison Manoa Laza. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT