Actualités

Fakana tany mirefy 30 ha eny Antanandrano Voatonona indray ny Karàna


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Vola ana miliara maro no atonton’ny Karàna iray tompona orinasan-tserasera mba hahazoana ny tany mirefy 30 ha ao Antanandrano -Ambohitrarahaba, raha ny fitarainan’ny teratany Malagasy tarana-dRazafitsara sy Razafimahefa izay milaza ho tompon’ny tany ary manana “titre” ara-dalàna.

  Ny taona 2012, tafakatra tao amin’ny fitsarana tampony ny fifanolanana. Mpitsara miisa 26 no nitsara ny raharaha tamin’izany. Nivoaka ny didim-pitsarana ka nandresy ireo tompon-tany. Nisy ny grôsy nivoaka izay nahafahana namerina ny titre tamin’ireo tompon-tany tsirairay avy.  Mahagaga anefa ny fisian’ ny maziamazia taorian’ny raharaha. Ny taona 2014, dia vitan’ity teratany karàna mitonon-tena ho mpanjakan’ i Madagasikara ity ny namerina ny raharaham-pitsarana hatramin’ ny voalohany indray. Tsy misy intsony izany ilay hoe “ autorité de chose jugée ” eo anivon’ny Fitsarana Malagasy ity raharaha ity, raha ny fanazavana hatrany.  Niverina tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ny raharaha efa voazara hatramin’ny farany. Eo anatrehan’ireo, mampanahy ny isian’ny kolikoly avo lenta. Aiza ho aiza ny fandraisana andraikitra ataon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ( Bianco) ny raharaha toy itony, hoy hatrany izy ireo nanao ny antso avo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT