Fakana ny fom-bahoaka Hivaro-bary 800Ar

kg ny fanjakana


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Efa ho iray volana teo ho eo izay ny avy ao amin’ny minisiteran’ny varotra, ny minisiteran’ny mponina, ny minisiteran’ny serasera ny hivarotra vary amin’ny vidiny mora mba hitsinjovana ireo fianakaviana marefo. Atomboka eto amin’ny faritra Analamanga izy io,

araka ny fanambaran’ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Rakotonanahary Ndratonomena omaly tao amin’ny trano fiasany. Hamidy 800Ar ny iray kilao ary 250Ar ny iray kapoaka, ka hisy foana eny amin’ny distrika 6 eto Antananarivo Renivohitra. Eo am-pijerena ireo mpandraharaha miara-miasa aminy ny minisiteran’ny varotra ankehitriny mba hahafahana mijery izay vokatra hafa azo hanampiana ny vahoaka, toy ny menaka, siramamy. Ny vary aloha no mandeha, hoy hatrany ity lehiben’ny faritra ity. Ho an’ny omaly dia toerana 23 teto an-drenivohitra no nivarotana azy, ary ezahina hovaina foana. Hoferana 1 hatramin’ny 2kg isaky ny tokantrano no azo vidiana, ka izay no hanaovana azy eny amin’ny fokontany mba tsy hisian’ny fanararaotana mety hampirina ilay vary sy hivarotra azy lafo kokoa aoriana. Ny nifanarahana tamin’ny minisiteran’ny varotra dia tsy ho tapaka izy io ao anatin’ny roa volana, raha ny fanazavana. Mandeha ny resaka sy ny ahiahy fa vono afo sy hakana ny fom-bahoaka eo anatrehan’ny hetsi-panoherana mahery vaika amin’izao fotoana ity zavatra ataon’ny fanjakana ity. Efa nodinihina hatry ny ela io tetikasa io fa noho ny antony samihafa, toy ny fifanarahana tamin’ny tompon’ny entana, fametrahana ny pitsopitsony rehetra hahafahana mizara azy eny ifotony,… dia izao vao tanteraka. Tsy resaka mamono afo io ary hojerena aza ireo zavatra hafa mety mbola azo hanampiana ny sahirana, hoy kosa ny lehiben’ny faritra. Raha misy ny azo atao amin’ny fampandrosoana dia izay aloha no atao, hoy izy ary amin’ny zavatra tahaka izany, dia tokony fifanomezan-tanana aza no hisy raha ny nambarany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT