Actualités

Fakana entana azo aloha tsikelikely Mitombo isan-taona ireo manao azy


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Ny vanim-potoanan’ny fety tahaka izao no mba hany andro iray toa zaton’ny fianakaviana Malagasy hanatsarana sy hanovana endrika ny ao an-tokantrano.

 

 Tsy manana fahafahana ny hanao izany anefa ny ankamaroany noho ny hasarotan’ny fiainana. Ny vidin’entana rahateo tsy mitsaha-mitombo. Zara raha maharitra hatramin’ny fahafolon’ny volana ny Karama raisina dia lany amin’ny fividianana sakafo ka na ny vola entina hitsaboan-tena any amin’ny dokotera aza tsy misy  raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Antony manosika ny maro handray anjara amin’ireny karazana operation tanterahina eny anivon’ny orinasa lehibe ireny izany. Ho ana orinasa lehibe iray izay mpivarotra kojakojan-tokantrano eto an-drenivohitra ohatra dia saika ny 2/3-n’ireo mpiasa eny anivon’ireo orinasa notsidihin’izy ireo no miroso amin’ny fanaovana ity opération ity.  Mitombo isa hatrany ireo orinasa mandray anjara isan-taona ka ho an’ity orinasa iray hatrany dia efa mahatratra efatra ireo orinasa miara-miasa aminy ankehitriny raha vao tamin’ny taona 2016 izy no nanomboka izany. Ny kojakojan-dakozia, ny vata fahitalavitra écran plat ary ny zava-maneno no tena be mpaka indrindra amin’izany amin’ny ankapobeny, alana ao anatin’ny dimy volana raha kely indrindra. Manaporofo izany rehetra izany fa mihasahirana ny vahoaka Malagasy. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa mitovy amin’ny fihindramam-bola eny anivon’ny banky ihany ny fakana ireny karazan’entana amin’ny alalan’ny opération ireny satria tsy maintsy misy ny zana-bola alain’ny orinasa mikarakara izany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT