Actualités

Fakana an-keriny tsy tontosa teny Mahamasina Danyl Isamel sy Seraj no saika halain'ireo jiolahy


  • Alakamisy 04 Novambra 2010

Mpandraharaha goavana teratany Karana roa no saika lasibatr'ireo jiolahy mpaka an-keriny. Rava anefa izany fikasana izany teny Mahamasina saingy namoizana ain'olona roa izay zandary ny iray.

Tamin'ny 4 oktobra no saika nalain'izy ireo an-keriny i Danyl Isamel. Fito ireo jiolahy tamin'izay ary efa tratran'izy ireo mihitsy ny fiaran'ity karana ity. Tsy tao anefa ilay karana ka nopotehin'izy ireo ny fitaratr'ilay fiara. Hatramin'io dia efa narahi-maso akaiky foana ny fihetsik'ireto jiolahy ireto. Ireo fiara roa ireo foana no entin'izy ireo dia ilay tratra teny Mahamasina ilay Nissan Primera sy ilay Golf type 2. Ny zoma talohan'iny fifandonana teny Mahamasina iny dia efa narahina akaiky avokoa izay nataon'ireto jiolahy ireto. I Seraj tompon'ny Sylver Star eny Anosizato no nokasain'izy ireo nalaina an-keriny tamin'io. Tsy nivoaka anefa ilay karana. Nandeha ny alatsinainy tsy mbola tazana ihany ilay karana. Ny talata anefa andro tsy fiasana ho an'ireo jiolahy. Tsy maintsy ny alarobia na ny alakamisy araka izany no hanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Dia iny nitranga iny ilay izy ny alakamisy. Omaly kosa dia voatana vonjimaika eny amin'ny zandary ny renin'i Tafita. Ity farany izay karohina fatratra hatramin'izao. Nanaovana fisavana ny tranony teny Avaradoha sy teny Ankadifotsy saingy nandamoka izany. Ny mpiambina an'i Seraj kosa ny iray tamin'ireo voasambotra ny alatsinainy teo. Tompon'ny orinasa Socolait any Antsirabe sy ny SMTP mpanao plastika moa i Danil Isamel.

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT