Nambaran’ireo kaomisera avy amin’ny SCAC sy ny SAG ary ny BC niaraka tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Anosy fa olona telo izao no efa tratra tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’ilay Karana tompon’ny tranombarotra Conforama farany teo.
Ny iray tamin’izy ireo dia ilay mpamily nitondra ny fiara tamin’ny andro nanaovan’izy ireo ny fakana an-keriny, ny iray hafa dia mpitsikilo nitondra ilay moto efa tapitra natao “pièces détachées”. Mbola tratra tany amin’ny iray tamin’izy ireo ny lelavola 20 tapitrisa Ariary izay noheverina fa anjaran’ny iray tamin’ireo andiana mpaka an-keriny ity tamin’ny ankapobeny. Voalaza fa in-droa nandoa vola na “rançon” ny fianakavian’ity Karana voasambotra an-keriny ity vao votsotra. Ny voalohany dia teny Soavina Atsimondrano tamin’ny alarobia 19 aogositra ary ny faharoa dia teny amin’ny manodidina an’i Laniera ny zoma 21 aogositra andro namotsoran’ireo olon-dratsy an’ilay Karana. Nampiasaina, hoy ireto kaomisera ireto ny fomba tena ara-teknika avo lenta tamin’izao fisamborana izao ka nahafantarana ihany koa fa mety misy tsiambaratelo nivoaka avy tao amin’ny polisy ihany, nanampy trotraka izany ny fahavakisan’ny biraon’ny BC 4 saika hakan’ny olon-dratsy ny antontan-taratasy mikasika ity raharaha ity. Voalaza ampahibemaso moa fa manamboninahitra mbola am-perinasa na efa misotro ronono koa no atidoha nikotrika an’ity fakana an-keriny ity ary mbola mandeha ny famotorana hatramin’izao. Mahasarotra ny raharaha tahaka ity sy ny tany Toamasina farany teo ny tsy famelan’ny fianakaviana hidiran’ny polisy amin’ny fikarohana noho ny ain’ny havany.
Ntsoavina Evariste
SARY : Ireo kaomisera nitafa tamin’ny mpanao gazety sy ireo vola tratra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.